Politique

Antoko AREMA Hanaiky hitantana azy i Pierrot Rajaonarivelo ?


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Manomboka misarika ny sain’ny mpanara-baovao indray amin’izao fotoana ny raharaha tokantranon’ny antoko Arema. Raha ny fizotry ny raharaha mantsy dia ahiana indray atsy ho atsy ny hivakisan’ity antoko anisan’ny goavana eto Madagasikara ity, noho ny fiadiana ho lohany amin’ny fitarihana azy.

Hatramin’ny tsy naha teto an-tanindrazana ny amiraly no efa nandeha ny ketrika maro samihafa avy amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sasany tao anatin’ny «Direction Collégiale» mba hamadihana tsimoramora ny fitantanana ny antoko. Nikasa ny hiditra teto tamin’ny 2006 i Pierrot Rajaonarivelo mba hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ny anaran’ny Arema, saingy tsy tanteraka moa izy io. Tsy dia nisy firy ihany koa, raha tsy hoe : in-dray mandeha na in-droa isan-taona ny toromarika ofisialy ho an’ireo kamarady mpiara-mitolona avy amin’ny amiraly, koa dia nampitombo sy nampahery vaika ny herin’ireo mpampisara-bazana avy ao anatiny izany. Nizara telo ny antoko raha ny fahitana azy, dia eo aloha ireo miaraka amin-dry Vaovao Benjamin sy Ralidovy Samuel izay ao anatin’ilay «Direction Collégiale», eo kosa ireo tsy nivadika tamin’ny amiraly ary miara-dalana amin’ny profesora Ange Andrianarisoa izay filohan’ny delegasionin’ny ankolafy Ratsiraka, ary farany dia eo ny Arema Matotra tarihan’i Pierre Raharijaona depioten’Atsimondrano teo aloha.

Taorian’ny krizy dia nisy tamin’izy ireo no nanohana avy hatrany ny FAT, tao ireo tsy niova fa Ratsiraka ihany, Ratsiaka hatrany. Tao ireo tsy niteniteny, ary tao kosa ireo nametraka ny fitokisany amin’i Pierrot Rajaonarivelo. Ity farany izay afaka nody an-tanindrazana vao niongana ny fitondrana Ravalomanana, ary nanomboka ny fitetezam-paritra hananganany ny rafitra hanohana azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Natsangany ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (MDM), izay raha ny fahitana azy dia Arema niova anarana fotsiny. Araka ny fandinihan’ny manampahaizana momba ny politika azy anefa dia mbola vao miana-mandeha ny MDM ka mety tsy hahatosika an’i Tonton Sôla amin’ny fifidianana, koa teo no mety raikitra ny fifampidinihana miafina teo aminy sy ireo mpitarika Arema sasany ka nitsirian’ny hevitra hoe : aleo izy (Pierrot Rajaonarivelo) maka ny toerany amin’ny fitantanana ny Arema ihany satria raha ny lalàna no jerena dia mbola tsy nisy niova ny firafitry ny antoko.

Samy mahazo tombotsoa ny roa tonta amin’izay, ny Arema mifoha amin’ny torimasony ary mahazo aina vao, i Pierrot Rajaonarivelo manana fototra matanjaka manerana ny nosy hiatrehana ny fifidianana. Hisy ny fihaonana eo amin’ny roa tonta amin’ity herinandro vaovao ity, handinihana ny mety ho tohiny resaka, azo antoka sahady anefa raha ny fandinihana izay tranga rehetra izay fa hanaiky hitarika ny Arema i Pierrot Rajaonarivelo, ary dia izay vao tena ho vaky am-batolampy ny ady eo aminy sy ny amiraly Didier Ratsiraka izay tsy hanaiky mora foana izany fandrombaham-pahefana izany.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT