Manoloana ny taham-pahavitsiana ambany dia ambanin’ireo mpifidy depiote ny 27 mey teo dia naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny sekretera nasionaliny, Dany Rakotoson, ny Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA).
Nilaza izy fa izay no zava-misy ary amin’ny tany demokratika na olona 2 na 3 aza no nifidy dia lany foana izay voafidy eo satria izay no lalàna. Mety ho maro ny antony nahatonga ilay taha ambany. Eo ny tsy fahampian’ny fanentanana mikasika ny asan’ny solombavambahoaka mihitsy. Eo koa ny fampisavorovoroana (speculation) politika hoe halatra sy ny hafa. Ny zava-dehibe taminay aloha dia afaka nampita ny soatoavin’ny antoko dia ny vahoaka, fitiavan-tanindrazana, firaisankina, asa ary fivoarana izahay. Marefo dia marefo foana ny demokrasia eto Madagasikara ary tompon’andraikitra ny fitondrana. Any ivelany dia mahazo famatsiana manokana mihitsy ny antoko politika saingy eto tsy misy an’izany. Tokony hahay politika anefa ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.