Politique

Antoka Arema Mametraka ireo rafitra isam-paritra


  • Talata 26 Jolay 2022

Teny nifanomezana tao anatin’ny antoko Arema ny fitetezana faritra amin’izao fotoana hitantanan’ny sekretera nationaly Anick Ratsiraka izao, hoy io antoko io.

Efa faritra maro no nisitraka izany fa nandritra iny herinandro lasa iny dia i Boeny sy Sofia ary SAVA no nahazo izany. Nisy ny dian’ireo delegasiona izay nahitana ireo “comité directeur”-an’ny antoko ary ny sekretera nationaly Anick ratsiraka tao Boeny ny herinandro nanentanana sy nankasitrahana ireo biraon’ny arema rehetra izay efa mijoro. Teo ihany koa ny fametrahana ireo rafitra rehetra isan’ambaratongany dia ny vehivavy Arema, ny tanora sy ny maro hafa. Natao ihany koa izao ho famangiana ireo akanin-jaza izay mbola mijoro any amin’ny faritra, toy ny tany Antalaha sy Nosy be izay natsangan’i Ramatoa Celine Ratsiraka tamin’ny fotoan’androany. Isan’ny tena mbola matanjaka amin’ireo akany manodidina ny 77 tantanin’ny arema ny Akanisoa ao Antalaha, efa tany amin’ny taona 1984, izay maro be ireo mpianatra nandalo tao Manodidina ny 300 isan-taona ireo mandrato fahalalana sy beazina ao amin’ity akany ity raha ny fanazavana hatrany. Nanamafy moa ny sekretera nationanlin’ny antoko arema Anick Ratsiraka fa hitohy any amin’ny faritry melaky sy ireo hafa tsy mbola nalehan’izay ireo izao fitetezam-paritry ny ny antoko Arema izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT