Politique

Antenimierandoholona Tratry ny fahirano, tsy misy vola iasana


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Ny vola tokony hoentina mampandeha ny raharaha tsy misy, kanefa ny fivoriana ara-potoana afaka roa herinandro.

 

 Ny ara-taratasy no ao, fa ny ara-teknika tsy misy. Na ny solika hovidiana ho an’ny fiarabe mpitondra fiara aza mikatso. Voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana anefa izany, ary samy nankatoa ny LFR ny parlemanta roa tonta ka inona no antony hampikatsoana azy? Hoy ireo ireo solontenan’ny Birao maharitry ny antenimierandoholona notarihin’ny Loholona Betiana Bruno, Mpampaka-teny voalohany, Mpampaka-teny faharoa Brigitte Rasamoelina, ary ny Kestora voalohany Abdirassoul Mohamed omaly. Nambaran’ny Kestora, fa manana ny tetibolany avokoa ny minisitera sy ny andrim-panjakana. Lany ao anaty lalàna io, ary vola azo ampisaina ao anaty taona iray. Mety tsy manam-bola tanteraka ny fanjakana amin’ny 3 volana voalohany, ary mety ambanimbany ny vola ampiasaina ka io ilay antsoina hoe: “taux de regulation”. 25% eo no azon’ny minisitera tsirairay, ankoatran’ny loholona izay 0%, kanefa andrim-panjakana faharoa eto amin’ny Repoblika. Misy zavatra tsy mety, misy sakantsankana sy fampiasana fahefana be loatra. Tetibola mahaleo tena (autonome) ny an’ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena, ka tsy tokony ho voakitikitika, hoy ity Kestora ity. Voatery izahay nametraka fitarainana any amin’ny Filankevi-panjakana. Mety tsy ho tomombana ny fivoriana ara-potoana amin’ity taona ity noho fanakatonana ny SIIGFP (Système Integré Informatisé de la Géstion de la Finance Publique) izay any amin’ny Minisiteran’ny tetibola ny fanalahidy, hoy ny Kestora. Tsy indray mandeha izao, ary tsy eto Madagasikara ihany no nisy tsy fitovian-kevitra, fa mbola tsy naheno aho hoe misy fahirano hampikatsoana andrim-panjakan’ny Repoblika kanefa isika efa nilaza fa mampihantra ny fanjakana tan-dalàna sy fitantanana mahomby, hoy kosa ny loholona Brigitte Rasamoelina.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT