Nalaina daholo ny fitaovam-piadiana rehetra tao amin’ny antenimierandoholona, na ny tao amin’ny fitahirizana fitaovam-piadiana (magasin d’armes)
izany na ny teny amin’ny mpitandro filaminana rehetra isambatan’olona. Taoriana kelin’ny lanonam-panokafana ny fivoriana no nilatsaka ny didy. Baiko avy amin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika na ny CEMGAM no voalaza fa nahafahana nanao izany. Nmena baiko hiverina any amin’ny toby nihaviany ireo miaramila, raha ny fanazavan’Atoa Rivo Rakotovao Filohan’ny Antenimierandoholona. Talanjona sy gaga tokoa aho, inona hoteneniko? Inona no hovaliako? Andrim-panjakan’ny Repoblika ity ka adidy sy andraikitry fanjakana no miaro azy, ary amin’ny maha filohana andrim-panjakana na izaho Rakotovao na iza satria izay ny sata Repoblikanina. Tsy nisy fanazavana ny antony ary izaho tsy nisy niantso, fa baiko miaramila niantefa tamin’ny Talen’ny Fiarovana, hoy i Rivo Rakotovao. Ny an’ny miaramila no efa tonga fa heno tamin’ny antso an-telefaonina ihany koa fa hanao tahaka izany ihany koa ny polisy, ary voakasiky ny fanesorana ireo mpiambina akaiky, raha ny fanazavan’io filohana andrim-panjakana. Tena nalaina daholo ny basy tao Anosikely sy ny tany an-tranoko, ary na ny olona aza efa lasa daholo, hoy hatrany I Rivo Rakotovao. Inona no tiana hahatongavana sy hatao? Inona no fahotan’ny antenimierandoholona? Ny hevitra tsy mitovy ve no fahotan-dRakotovao? Misy miahiahy ve fa hanongam-panjakana? Tsy hanongam-panjakana aho, ary ny hevitra no tsy mitovy satria endriky ny demokrasia izany raha ny nambarany. Manoloana ny fihetsiky ny fanjakana dia manontany ny Praiminisitra amin’ny fomba fitantanana ny firenena i Rivo Rakotovao. Samy andrim-panjakana ary adidin’ny “bataillon” eo anivon’ny Primatiora ny fiarovana ireo andrim-panjakana. Tsy andrim-panjakana intsony ve ny loholona ary tsy filohana andrim-panjakana intsony ve ny tenako? Hafahafa ny toe-draharaham-pirenena fa tsy tongatonga ho azy ny raharaha tahaka izao. Andrasana izay mety ho fanazavana mafonja avy amin’ny fanjakana satria misy antony goavana ny fanesorana fitaovam-piadiana amina lapam-panjkana izany.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.