Politique

Antenimierandoholona Mitaky 7 miliara ariary hanampiana ny tetibolany


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020.

 

 

 

 

 Notakian ’ireo loholona hatramin’ny farany my hamerenana ao anatin’ny tetibolan’ny antenimieran-doholona ny vola mitetina 7 miliara Ariary izay voarakitra eny anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Raha tsiahivina dia 23 miliara Ariary ny tetibola natokana ho an’ny antenimieran-doholona ka ny 16 miliara Ariary ihany no voasoratra ao anatin’ny PLFR (Projet de Loi de Finance Rectificative) 2020 fa ny 7 miliara ariary dia ao amin’ny MEF araka ny efa tapaka teo anivon’ny filan-kevitry ny Minisitra. Vokatr’izany dia nangatahan’’ireo loholona hatramin’ny farany ny famerenana io vola io ao anatin’ny tetibolan’ny antenimerandoholona. 14 no nandany izany omaly ary 10 no nitsipaka. Hiverina ho entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena izany io volavolan-dalàna mahakasika ny tetibola nasiam-panitsiana io mialohan’ny hamoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena ny didy hitsivolana mahakasika izany.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT