Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara eny amin’ny Antenimierandoholona.
Hisy ny fihaonana amin’ny Praiminisitra miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny talata 02 jiona 2020; fihaonana amin’ireo Minisitra isan-tsokajiny sy ireo vondrona isan-karazany toy ny EDBM sy ny WATER AID Madagascar alohan’ny handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola-panjakana nasiam-panitsiana na ny LFR. Rehefa nodinihina tamin’ny asa-baomiera intelo miantaona kosa ny volavolan-dalàna laharana faha 004/2019 tamin’ny 02 oktobra 2019 mikasika ny lalàna mifehy ny serasera (“code de la communication médiatisée”) dia ny alarobia 03 jiona 2020 no handaniana azy. Ny 17 jiona 2020 no heverina handaniana ny LFR, izay mbola tsy tonga eo anivon’ny parlemanta roa tonta. Hisy ihany koa ny fandinihana sy fandaniana ny tolo-dalàna 001/2019 momba ny “code de nationalité Malagasy” natolotry ny kestiora voalohan’ny Antenimierandoholona Abdirassoul Mourad sy ireto tolo-dalàna ireto, laharana faha 03-2019/PL mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy, laharana faha 01-2019/PL momba ny satan’ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra izay natolotry ny Solombavambahoaka Razafintsiandraofa Jean Brunel Filoha lefitry ny Antenimierampirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.