Ho dinihina anio eny anivon’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely ny sata mifehy ny mpanohitra.
Raha ny fandaharam-potoana dia ilay tolo-dalàna 01-2019/PL izay natao hanitsy sy hameno teboka maromaro tamin’ny tolo-dalàna 2011 – 013 ny 9 septambra 2011 mikasika ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra ity ho dinihina ity. 9 taona, araka izany, no nifandrirarirana mikasika ny fipetraky ny atao hoe fanoherana sy antoko mpanohitra eto Madagasikara. Ny tolo-dalàna voalaza etsy ambony, izay natolotry ny solombavambahoaka, Brunnel Razafitsiandraofa, koa anefa tamin’ny fotoana nanolorana azy tamin’ny taon-dasa dia efa nampiady hevitra sy nampifanolana ny antoko mpanohitra maro an’isa teo anivon’ny antenimieram-pirenena sy ny vondrona politika miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Asa indray izay ho tohiny amin’ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.