Araka ny fitsipika vaovao lany eny amin` ny Antenimierandoholona, dia hihena ho
lasa enina sisa ireo mpikambana handrafitra ny birao maharitra. Filoha lefitra iray avy misolo tena ireo faritany avy any avaratra sy avy any atsimon` ny nosy. Filoha lefitra avy amin’ ireo mpanohitra no hanampyisan an` ity andrimpanjakana ity. Iray ihany koa ny mpampaka teny sy ny kestora. Nihena koa ny isan`ireo vaomiera. Miisa telo no hatsangana etsy Anosikely: ny fitantanam-bola , toekarena sy ny fampandrosoana maharitra; ny lalàna; ary ny ara-tsosialy, ara-koltoraly ary ny fifandraisana Hisy mpikambana enina avy ireo vaomiera ireo ary afaka mifindrafindra toerana ireo loholona, hatrany ny fitsipika anatin` ireo loholon`i Madagasikara. Marihina moa fa miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana vao hitohy indray ny fivoriana eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.