Politique

Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa no filoha


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Notanterahina omaly ny fivoriana manokana, araka ny didim-pitsarana navoaky

 

 

 

ny HCC lah. faha-01 HCC/AR tamin` ny 07 janoary 2021, teo amin`ireo Loholon’i Madagasikara vaovao hananganana ny birao maharitra sy ireo vaomiera araka ny voalaza ao amin’ny and. faha- 78 s faha-85n’ny lalàmpanorenana. Niroso avy hatrany tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona ka lany 100% tamin’izany ny Loholon’i Madagasikara Razafimahefa Herimanana kandida tokana, natolotry ny antoko IRMAR. Nandritra ny lahateniny dia nanome toky ny fahefana mpanatanteraka izy fa hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra mba ho fanavotana an’i Madagasikara. Vonona ny Loholon’i Madagasikara, hoy hatrany izy, hanome tolo-kevitra sy hitondra ny hetahetan’ireo vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, amin’ny maha solontenan’izy ireo ny Antenimierandoholona. Niantso ireo mpanohitra ihany koa izy mba hifanome tànana satria fotoanan’ny asa izao hoy izy satria mila fitoniana ny asa fanarenana. Ny loholona Herimanana Razafimahefa no filoha faha-10 eo anivon` ny Antenimierandoholona. Tsiahivina moa fa 18 no isan’ireo Loholon’i Madagasikara, 12 nolanian’ireo mpifidy vaventy isam-paritany ary 6 notendren’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ao anatin` ny fandrafetana ny mpikambana eo anivon` ny birao maharitra sy ireo vaomiera ary ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona ireto loholona vaovao ireto. Andrasana araka izany ny fifandimbisam-pahefana eo amin` ity filoha ity sy ny filoha teo aloha Rivo Rakotovao.

 

 Herimanana Razafimahefa dia efa sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena mialohan` ny fifidianana loholona. Efa mpikambana teo anivon` ny tetezamita sy ny filankevitra ambonin` ny tetezana (CST) taona 2009-2013. Mpikambana teo anivon` ny antoko Grad Ilafo izy ary efa sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny angovo sy ny harena an-kibon` ny tany ny taona 2002.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT