Efa tonga eny amin`ny Antenimierandoholona ireo didy hitsivolana taorian`ny nandanian`ny Antenimieram-pirenena izany.
Tsy hitovy ny fomba fiasan’ny roa tonta fa hanao adihevitra lalina ireo didy hitsivolana. Tsy nanisy adihevitra amin`ny vontoatiny ny depiote noho ireo hitsivolana efa nahazo ny fankatoavan`ny HCC ary efa navoaka rahateo ireo didy, araka ny lahatenin`ny filohany, Chrisitine Razanamahasoa, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 4 martsa lasa teo. Fomba arahina amin`ny fankatoavana no hataon`ny depiote amin`izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Tsiahivina fa iray andro no nandaniana lalàna sivy tao Tsimbazaza. Nanamafy ny filohan`ny sena Rivo Rakotovao fa manaja ny fenitra repoblikanina amin`ny fampandehanana anatiny ny asan`ny loholona . Misy, hoy izy, senatera sasany miteny fa dingan-dava fotsiny ny ao amin`ny sénat fa ny HVM no ao. Diso izany ka aleo aloha miala vao miteny fa hihomezan`ny olona fotsiny. Nambarany hatrany fa manahirana ny zava-misy ankehitriny mahakasika ireo hitsivolana satria misy natambatra. Ny hitsivolana and. Voalohany, ohatra, dia misy ny lalàna mifehy ny harena ankibon`ny tany sy ny tontolon`ny sarimihetsika kanefa zavatra tsy hifandraisany mihitsy. Mampametra-panontaniana ihany hoe hay ve nandray hitsivolana amin`ny lalàna mifehy ny harena ankibon`ny tany noraisin`ny filoham-pirenena ? Noho izany, tsy maintsy hirosoana ny fanadihadiana lalina, hoy hatrany ny fanazavana. Omaly moa ny fandinihana ireo lahadinika hodinihina sy holaniana amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.