Politique

Antenimierandoholona Hanadihady dosie goavana efatra


  • Talata 01 Desambra 2020

Nankatoavin’ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona omaly

 

 

Alatsinainy 30 Novambra 2020 teny Anosikely nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana ny “Proposition de Résolution n°001/2020/R » mahakasika ny fananganana ara-pomba ofisialy ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana izay ahitana vaomiera efatra mandrafitra izany . Hiantsoroka ny fanadihadiana ireo raharaha sy dosie lehibe miisa 4: ny fomba nitantana ny lafiny ara-bola ny fihatrehana ny valan’aretina Covid 19, izay ny loholona Rafidiarison Jean Rémi Gabriel no hitarika ny Vaomiera hiantsoroka an’io ; Ny famonoana faobe ireo voafonja nandositra tany Farafangana, ka ny loholona Randriamantsoa Jafetra no Filohan’ny Vaomiera ; ny fanafarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena, izay ny loholona Raveloson Thierry no hitarika ny vaomiera ; ary farany ny mahakasika ny fifidianana farany natao ka nahitana ny “doublon”, ka ny loholona Rakovazaha Olivier no Filoham-baomiera amin’io. Nilaza ny Filohan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao manoloana ny fananganana ireo vaomiera hisahana ny fanadihadiana fa ny mba hisian’ny mangaraharaha sy ny fanarahan-dalàna hoan’ireo mpanao politika rehetra izay mifandimby eto amin’ny Firenena no tanjona. Adidy sy andraikitr’ireo Loholona manoloana ny mpiray tanindrazana aminy ny manome fanazava marina amin’ireo fanontaniana izay mety manitikitika azy ireo izay fototra mahatonga ny krizy eto amin’ny Firenena. Mety tsy ho tanteraka hatramin’ny farany izany fanadihadihana izay kasaina atomboka amin’izao izany saingy atolotr’izy ireo hoan’ireo Loholona vaovao ny fanohizana izany noho ny fisian’ny fitohizan’ ny fahefam-panjakana, hoy ny fanazavana. Isan’ny dosie sy raharaha goavana niteraka adihevitra teto amin’ny Firenena ireo, ka dia andrasana ny tohiny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT