Inona tokoa moa no tena anton` ireny fitsiriahana fitaovam-piadiana teny amin` ny Antenimierandoholona ireny?
Na dia dingana tsy maintsy arahina aza ireny hoy ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny fiarovam-pirenena, mbola tsy mazava ity raharaha ity. Inona no tena ambadik’izany? Tsy fantatra aloha fa ankoatra ny olana ara-bola sedrain` ny fanjakana, dia mety manahy ny mpitondra amin’izao fotoana fa sao hisy tranganà fanakorontanana ato ho ato ary manahy hatrany fanonganam-panjakana. Efa vaky rahateo ny ady eo amin`ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Nilaza Tsimbazaza fa tsy namerina ara-potoana ireo volavolan-dalàna ny tetsy Anosikely. “Nefa misy ny indro kely: anisan` ny mampikatso ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna eny anivon` ny parlemanta amin` izoa fotoana izao ny tsy fanajàna ny fivezivezen` ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna eny amin` ny Antenimierandoholona. Saika mihitsoka eny amin` ny Antenimieranadohholona ny fandaniana izay avy eny anivon` ny Antenimieram-pirenena”. Ampahan` ny lahatenin` i Christine Razanamahasoa, filohan` ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 4 martsa lasa teo. Noho izany, mitodika any amin` ny Antenimierandoholona ny vody basy satria ny filohany dia ao anatin` ny fanoherana izay miara-dia amin` ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Na dia misy aza izay fanakorontanana izay mianjady amin`ny fitondrana dia mbola tsy voaporofo ny tanjan` ny TIM sy HVM hatreto.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.