Politique

Antenimierandoholona 11 volana, tsy voatendry ny solon’i Mbade Jeannine


  • Zoma 10 Jolay 2020

63 ny isan’ireo Loholona mandrafitra ny Antenimierandoholona, izay andrimpanjakana faharoa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

 

Nofidiana mivantana tamin’ny desambra 2015 ny 42 amin’ireo. Ny filohan’ny Repoblika kosa no manendry ny 21, izay ampahatelony. Ny fiandohan’ny taona 2016 no nanendrena an’ireto farany. Iray amin’ireo 21 voafantina ary notendren’i Hery Rajaonarimampianina filohan’ny Repoblika tamin’izany, noho ny traikefany na koa ny toerany ara-toekarena sy ara-piarahamonina Rtoa Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabriel. Nirotsaka hofidiana solombavambahoaka, lisitra tsy miankina tao amin’ny Distrika Maevatanana ity farany, ny 27 May 2019 ary dia voafidy soa amantsara. Nisafidy ho ao Tsimbazaza Rtoa Mbade Jeanine ary nametraka taratasy fametraham-pialana ny 12 jolay 2019 milaza fa handao an’Anosikely ka tsy ho mpikambana Loholona intsony. Taorian’izay dia nandefa taratasy laharana faha 047-19/Sénat/PS, any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC, ny filohan’ny Antenimerandoholona Rakotovao Rivo ny 25 jolay 2019 mampahafantatra io fahabangan-toerana taorian’ny nahavoafidy an’i Mbade Jeanine ho depiote tao Maevatanana io. Namoaka fanapahana laharana faha49-HCC/AR ny HCC ny 13 aogositra 2019 milaza fa hita fototra ny fahabangan-toerana ny Loholona voatendry Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle. Ny andininy faharoa amin’io didin’ny HCC io no mamaritra fa dia anjaran’ny filohan’ny Repoblika no miroso amin’ny fanendrena senatera vaovao. Tsy mbola nisy io fanendrena io 11 volana aty aoriana, ary dia banga hatramin’izao io toerana Loholona iray io ao amin’ny Antenimierandoholona. Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina mikasika ny Antenimierandoholona dia ny hampihenana ho 18 ny isan’ireo Loholona handrafitra io andrimpanjakana io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT