Mitaraina amin`ny tsy fananam-bola ny Antenimierandoholona amin` izao fotoana iza araka ny fanazavan` ny filohany , Rivo Rakotovao.
Amin` ny volana jona izao no tapitra ny karaman` ny loholona voarakitra ao amin`ny sorabola na dia efa nankatoavina izany raha ny fanazavana hatrany. Misy amin`ireo mpiasa sasany no mbola tsy nandray karama nanomboka ny volana aprily hatramin` izao. Azo ataon` ny fitondrana no mandray an` ireo mpiasa eto anivon` ny Antenimierandoholona satria mpiasam-panjakana izy ireo ka manaparitaka azy ireo any amin`ny ministera hafa, hoy ihany izy. Tsy mbola ao anatin` ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana io tetibola atokana an` io andrimpanjakna io satria hifantoka amin` ny fanarenana amin`izao ahamehana ara-pahasalamana izao ny lahadinika hoy ihany I Rivo Rakotovao. Anio moa dia hisy fivoriana handinihana ny drafitram-panarenana ny toekarena, izay iarahana amin`ireo mpahay toekarena eo anivon`ny CREM. Ankoatra ireo amin`ny lahadinika maika hanarenana ny firenena dia ao anatin` ny fandaharam-potoana eo anivon`ny Antenimierandoholona koa ny lalàna mifehy ny mpanohitra sy ny serasera eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.