Politique

Antenimierampirenena Manampahefana teo aloha 13 hatao fanadihadiana


  • Talata 30 Novambra 2021

Manomboka anio talata 30 novambra ny fampanantsoina eny amin’ny Antenimierampirenena ireo olom-panjakana ambony teo aloha miisa 13, miaraka amin’ny vavolombelona,

 voakasiky ny raharaha kolikoly avo lenta, ary hampangaina eo anivon’ny fitsarana avo na ny (Haute cour de justice). Alefa hodinihina amin’ny fivoriana itambarambe tanterahin’ireo solombavambahoaka amin'ny fandaharam-potoana aorian'ny 6 desambra izao ny antontan-taratasy 13 voalaza ireo, araka ny voalazan’i Tsabotokay Honoré, filohan’ny vaomiera ao amin’ny Antenimierampirenena mpandinika ny fiampangana ireo olom-panjakana ambony. Saika mpitondra ambony tamin’ireo Fanjakana teo aloha moa ny ankamaroan’ireo voasaringotra amina dosie goavana, izay ny depiote no tompon’ny teny farany amin’ny hanolorana azy ireo amin’ny HCJ na tsia. Mpikamban’ny governemanta teo aloha ny ankamaroany, ary efa nisy parlemantera ihany koa tamin’izy ireo, ka mpikambana teo anivon’ny parlemanta miisa 2 no voalaza fa hampanantsoina eny Tsimbazaza ho an’ny anio. Resaka fanodinkodinam-bolam-panjakana no maha voarohirohy ireo olom-panjakana ambony teo aloha voaresaka ireo amin’ny ankampobeny. Misy amin’ireo olona ambony manana voasaringotra amin’ireo dosie no eto, fa ny ankamaroany, dia saika lasa nialokaloka any ampitan-dranomasina avokoa. Saika efa vita ny ankabeazan'ny asa sy fandinihana ny antontan-taratasy avy amin'ny Birao mahaleotena miandraikitra ny ady amin'ny kolokoly (Bianco) voarain'ny Vaomiera eo anivon’ny parlemanta, ary tsy mbola misy ny antontan-taratasy vaovao eo am-pelatanana fa ny teo aloha ihany no nodinihina. Miisa 17 ireo solombavambahoaka mandrafitra ny vaomiera manokana eo anivon'ny Antenimierampirenena ity. Asa hoe : handeha hatraiza ireo dosie lehibe satria efa tamin’ny fivoriana teo aloha no nampalaina ireo parlemantera, ka nahemotra. Nanentana ireo depiote sy namporisika ny vahoaka nifidy azy hiteny ireo depiote ho tonga amin’ny fandaniana ny fanapahana izay hatao amin’ireo raharaha ireo moa ny Filohan’ny vaomiera momba ny fanenjehana. Hatreto, ny an’ireo mpitondra teo aloha no mandeha fa rehefa miala amin’ny fitondrana angamba ny mpitondra ankehitriny vao handeha ny raharaha « bonbons sucettes », « écran plat », Jirama.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT