Antenimieram-pirenena vaovao

> 20% ireo solombavambahoaka vehivavy


  • Alarobia 12 Febroary 2014

Araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny alakamisy 06 febroary 2014 farany teo dia miisa 147 amin’ireo 151 ireo solombavambahoaka afaka mandray ny toerany eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.

Mbola andrasana kosa ireo depiote efatra hanampy azy ireo avy amin’ny Distrikan’Ambanja, Belo Tsiribihina, Marovoay ary Sainte Marie izay hotanterahina amin’ny 30 mey ho avy izao ny famerenana ny fifidianana amin’ireo Distrika ireo. Raha ny zava-misy amin’ny ankapobeny taorian’iny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iny no atao indray mijery dia tsy mbola tafapaka tsara eto Madagasikara ny lanjan’ny antsoina hoe miralenta, izany hoe ny tsy tokony hisian’ny elanelana eo amin’ny andraikitra izay sahanin’ny lahy sy ny vavy. 30 amin’ireo depiote 147 monja mantsy no vehivavy handrafitra ny fahefana mpanao lalàna mandritra ny 5 taona izay manome ny 20%-n’ny salan’isa. Ny tanjon’ny taona arivo fahatelo nifaneken’ny firenena manerantany moa dia mamaritra io salan’isa io ho 50% amin’ny taona 2015. Midika izany fa mbola mila ezaka goavana ny firenena malagasy raha te-hahatratra ny tanjona nifanarahan’ireo firenena mpikambana. Tsy tokony hahakivy anefa izany, indrindra ho an’ny vehivavy malagasy satria mbola maro ireo rafitra azon’izy ireo andraisana andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Anisan’izany ireo fifidianana maro mbola hatrehintsika amin’ity taona 2014 ity raha tsy hilaza afa-tsy ny fandatsaham-bato ho an’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny tanàna.

 

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT