Manoloana ny raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko, dia nivory ny Vaomieran’ny
« ressources stratégiques » teo amin’ny Antenimieram-pirenena omaly 12 janoary 2021 tamin’ny 10 ora maraina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nanome fanazavana ny filohan’ny Vaomiera Depiote Mohamad Ahmad fa efa eny anivon’ny Fitsarana ny famotorana, noho izany dia tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana intsony ny Antenimieram-pirenena. Tsy manakana anefa izany ny hitadiavan’izy ireo ny vaovao mari-pototra satria amin’ny maha solombavambahoaka azy ireo ary amin’ny maha raharaham-pirenena ny zava-mitranga dia maro ny vahoaka no mangataka fanazavana sy mitaky ny marina mahakasika izany. Haka ny antontam-baovao faran’izay marina ary haingana indrindra, ary ampahafantarinay ny vahoaka fa tsy atao tompon-trano mihono, hoy io depiote io. Isan’ny efa naneho hevitra momba io trafika io moa ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa sady efa tompon’andraikitra teo anivon’ny Polisy misahana ny sisin-tany (PAF), izay naneho fa misy tsikombakomba matoa tafavoaka eto Madagasikara ireny volamena 73, 5 kg ireny. Tsy afa-miala amin'izany, fa anisany tompon'antoka ny ACM. An-tanan-tohatra maro ihany koa no lalovana vao afaka miditra any anaty fiaramanidina ny olona na ny entana, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.