Nanao fanambarana teny amin'ny CCI Ivato ny antenimieram-pirenena fa tsy azo ekena ny fihetsiky ny fanjakana Frantsay.
Tsy azo ekena ny vinan` ny governemanta frantsay hanao ny Nosy Glorieuses ho tahirin-javaboaharim-pirenena. Mitsipaka marindrano ny fibodoana ireo nosy manodidina ny antenimieram-pirenen'ny repoblikan'i Madagasikara. Raha tsiahivina, ny alatsinainy 18 may teo, dia nanao fanambarana ny ministeran` ny raharaham-bahiny fa manohitra io vinavinan’ny Fanjakana frantsay io. Miendrika jadona sy tsy fanajana ny fifampiresahana misy eo amin’ny Fanjakana roa tonta mikasika ireo Nosy izany vinavina izany. Nanamafy izany ihany koa ireo solombavambahoaka. « Heverin` ny solombavambahoaka fa ny fanambarana izay nataon` ny fitondrana frantsay mikasika ny “Glorieuses” dia miendrika fihantsiana ary mifanohitra tanteraka amin` ny fehin-kevitra 34/91 et 35/123 noraisin` ny fivoriamben` ny Firenena Mikambana ». Mangataka ny fanelanelan` ireo vondrom-paritra toy ny SADC sy ny Firaisambe Afrikanina amin` ny maha faritra mbola voazanaka ireo nosy takian` i Madagasikara ireo no sady nosy afrikanina rahateo ireto solombavambahoaka ireto. Miantso ny ankolafy frantsay hanao ho zava-dehibe ny fifampiresahana hahafahana mitady vahaolana amin` izao disadisa misy eo amin` I Madagasikara sy Frantsa Izao ireo solombavambahoaka. Ho an` Rtoa Chrisitine Razanamahasoa, filohan` ny Antenimieram-pirenena (PAN), izao fanambarana ataon` ny depiote izao dia antso ho an` ny governemanta. Tsy mbola misy daty mazava aloha hatreto ny fifampidinihana faharoa voatondro fa tokony hatao any Frantsa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.