Raha tokony omaly no nanaovan` ny vaomiera manokana misahana ny
fiampangana eo anoloan'ny Fitsarana avo (HCJ) eo anivon` ny Antenimieram-pirenena ny tatitra momba ny fanadihadiana an` ireo raharaha goavana mahavoasaringotra olona ambony dia nahemotra indray izany noho ny tsy asa mbola tsy tomombana, araka ny fanazavana nentin` ny filohan` ity vaomiera manokana ity, Tsobotokay Honoré. “Tsy mbola vita ny asanay ao amin'ny vaomiera manokana. Mbola betsaka ny zavatra sy nypitsopitsony ilaina amin`ity zavatra iantsoranay ity. Maro ny asa mbola tsy tomombana ka mangataka ny fanemorana ny tatitra. Araka ny fitenin` ireo mpahay lalàna dia aleo mandefa olona meloka toy izay mampigadra olona marina”. Nanamafy kosa ny filohan'ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, fa tsy maintsy atao mandritra ity fivoriana ara-potoana faharoa ity ny tatitry ny vaomiera. Araka ny lalàna dia ny fandaniana ny amin`ny alalan` ny antenimieran sa tsia mba hanenjehana ireo tompon`andraikitra ireo eo anivon` ny HCJ dia tsy maintsy ao anaitn` ny fivorian` ny Antenimieram-pirenena. Depiote 53 no nanaiky izany omaly, 1 no tsy nanan-kevitra momba izany ary tsy nisy kosa ny nandà.
DEPIOTE IRD TANY AMIN` NY PRIMATIORA
Tompon`andraikitra ara-panjakana ambony miisa efatra no voarohirohy amina afera sy dosie samihafa any amin` ny Fitsarana ambony. Mbola tsy namoaka anarana moa ny depiote voafidy tany Vohipeno, Tsabotokay Honoré, mba ho fiarovana ny fiainan` ireo olona ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray, isan` ny voatonona ao anatin` izany raharaha izany i Onitiana Realy, Reboza Julien, Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo ary Anthelme Ramparany. Misy amin`izy ireo no tsy eto an-tanindrazana intsony. Fantatra ihany koa fa miisa 12 ny dosie efa vonona mahakasika manampahefana ambony.Ankoatr'izay nahoraka be omaly maraina teo fa nampanantsoina tany amina toerana iray mba handray toromarika ireo depiote IRD. Vantany vao vita ny fivoriana dia nivory an`ora maro ireo depiote IRD. Tsara ho marihana fa miandry io fiampangana ataon'ny antenimieram-pirenena io ny HCJ vao afaka manomboka ny fitsarana ireo manampahefana ambony manana dosie.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.