Politique

Antenimieram-pirenena Nisokatra omaly ny fivoriana tsy ara-potoana


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Hiompana amin` ny fametrahana ny vaomiera iombonana ny antenieram-pirenena handinika ny volavolan-dalàna lah. 001/2020 tamin`ny 26 febroary 2020 ny fivoriana tsy ara-potoanan` ny parlemantera izay nanomboka tamin` ny fomba ofisialy teny amin` ny CCI Ivato omaly.

 

 

Mirakitra didy hitsivolana telo lehibe io volavolan-dalàn io ka ao anatin` izany ny lalàm-pifidianana sy ny fitsapahankevimbahoaka, eo ihany koa ny lalàna mifehy ny harena an-kiboon` ny tany ary ny didy hitsivolana manitsy ny fitantanana ankapobeny ny Antenimierandoholona. Nandritra ny lahateny nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Chrisitine Razanamahasoa, dia nisaotra ny Fahefana Mpanatanteraka ny tenany tamin’ny ezaka natao niadiana tamin’ny valan’aretina Covid19 sy ny fangaraharana teo amin’ny lafiny ara-bola. Niarahaba ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta ihany koa ny Filoha, ary maniry ny mba hisian’ny Solombavambahoaka betsaka kokoa ho ao anatin’ny Governemanta. Hiroso amin` ny fivoriana moa ny birao maharitra sy ireo filoham-baomiera ka aorian` izay vao voafaritra ny zavatra ho tapahina sy dinihana mandritra ny fivoriana izay haharitra 12 andro.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT