Politique

Antenimieram-pirenena Misy depiote voan’ny Coronavirus


  • Zoma 03 Jolay 2020

Miaka-dapa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny valanaretina Covid-19 ary efa misy solombavambahoaka voa.

 

 

« Depiote iray aloha no efa tena voamarina, fa ny iray tsy tonga nanohana an'ilay tolo-dalàna avy aminy intsony », hoy ny loharanom-baovao iray raha nanontaniana momba io tranga io. Lohanoram-baovao hafa indray no milaza fa « efa tsaboina any amin’ny hopitaly » ireo parlemantera ireo ankehitriny. Manoloana ny fisian’ireo tranga ireo dia tapaka fa hisy ny fitiliana faobe hatao atao amin’ireo solombavam-bahoaka sy ny mpiasa ao amin’ny Antenimieram-pirenen¬a. Nirosoana avy hatrany omaly ny fakana singa hanaovana fitiliana PCR. « Nafarana nankety amin’ny CCI Ivato mihitsy ny mpanao azy. Mbola ety izahay izao (omaly) », hoy i Mamy Rabenirina, solombavam-bahoaka Tiako i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Distrika Ambohidratrimo. « Ny depiote aloha no natao voalohany. Dia nisy mpiasa natao koa avy eo satria nisy ambiny ny fakana singa », hoy ity farany. Nanao fampahafantarana tao amin’ny tambajotra facebook moa ny solombavambahoaka voafidy tany Vohipeno Tsabotokay Honoré omaly, fa marary ny tenany. Efa nanao fitiliana fa mbola tsy nivaly, nefa moa raha ny fahatsapana ny vatako dia reradreraka, hoy izy. Efa mahazo fitsaboana ara-dalàna eny amin’ny toeram-pitsaboana ity solombavambahoaka ity ary mandroso fahasalamana tsara, hoy io solombavambahoaka io.

Jean D./Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT