Politique

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »


  • Zoma 21 Febroary 2020

Misy andiana « Assistant parlementaire », mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka, mitaraina fa 100 000 Ar no mba tambin-karama omen’ny depiote azy ireo, raha tokony 460 000 Ariary izany.

Zon’ny depiote tsotra ny hanana « Conseiller technique » iray, « Assistant technique » iray ary « Assistant parlementaire » miisa dimy amin’ny fanatanterahana ny asany, araka ny voafaritry ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena. Mandalo eo am-pelatanan’ny solombavambahoaka tsirairay ny tambin-karama omena ireo mpiara-miasa akaiky aminy ireo. Noho io fitarainan’ireto andiana « Assistant parlementaire » ireto, dia re fa mety hisy fiovana ny fandoavana ny volan’izy ireo, ka atao amin’ny alalan’ny « Bon de caisse ». Raha io zava-misy io no jerena, dia misy ny fandrombinana ataon’ireo depiote amin’ny vola efa voafaritra ho an’ireo mpanampy azy, ka izay tiany homena no omeny. Raha ny karama farany ambany eto Madagasikara (SMIG), dia efa nofaritana ho 200 000Ar, fa ny azy ireo tambin-karama, ka izay ve no hanaovan’ny depiote sasany azy hoe izay tiany homena ? Volabe no mihodina amin’ity andrim-panjakana ity. Ny rehetra no afaka mitsara hoe tena misy tamberin’andraikitra ho azy ireo ve ka tsy sanatria ho mpisolovava ny vahoaka higoka ny tombontsoa tokony hiarahan’ny rehetra misitraka fa tena hiady ny tombontsoan’ny besinimaro ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT