Politique

Antenimieram-pirenena Misy Claudine vaovao ?


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Mitohy ny fimenomenomana eo amin’ireo solombavambahoaka amin’izao satria mbola tsy nandray karama volana oktobra ireo mpanolontsaina ireo depiote hatramin` ny omaly 10 novambra.

 

 Maro amin’ireto olom-boafidy ireto ihany koa hatreto no mametra-panontaniana ny amin’izay fitantanam-bola eny Tsimbazaza . Misy mihitsy ireo depiote no manahy sao mifangaro amin` ny zavatra hafa ny fitantanana ny volan` ity andrim-panjakana ity. Niteraka resabe teo anivon` ny lapan`i Tsimbazaza herinandro vitsivitsy lasa izay ny fankalazana ny tsingerintaonan` ny vinanton` ny filohan`ny Antenimieram-pirenena. Lanonana raitra sy tsara lavitra noho ny lanonam-panambadiana izay nanaovana ravaka sy haingo avo lenta natao teny Andohan’i Mandroseza. Maro no efa nitondra fanamarihana mikasika ny fihetsik’ity vinanto ity noho ny rafozany mitazona andraikitra ambony. Fantatra hatrany fa saika mahazo ny ankamaroan’ireo tsena-barom-panjakana ihany koa izy ity ary toa manana tsindry amin’ireo tompon’andraikitra ireo aza. Manana hatramin`ny pasipaoro diplaomatika mba hahafahany mivezivezy any ivelany kanefa dia tsy tokony hisitraka izany izy. Mipetraka hatrany ny fanontaniana, hoy hatrany ny loharanom-baovao: nisy ny “demande de dépenses complémentaires” manodidina ny 10.589.000.000 ariary nangatahan'ny Antenimieram-pirenena izay tsy nivoaka amin’izao kanefa tao anatin’ny fotoana fohy dia nahatafatsangana trano izay notokanana ny 17 oktobra lasa teo ity vinanto ity. Mitoetra ihany ny ahiahy tsy hihavanana. Nandeha moa ny resaka fa raikitra ny fanangonan-tsonia mangataka ny fanesorana ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola; asa na misy fifandraisany amin’ity zavamisy ity na ahoana. Marihana fa efa herinandro maromaro izao no nangataka fanazavana tamin` ity minisitry ireo solombavambahoaka saingy mbola tsy nahita vokatra hatreto, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT