Politique

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly


  • Alarobia 03 Jona 2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

 

 

 

 

Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny dia nanasongadina ny fitakiana ireo nosy malagasy sy ny fiatrehana ny ady atao amin’ny Covid-19 ary ny fampodiana ireo malagasy tavela any ivelany. Ny Minisitry ny Atitany dia namintina ny asa notanterahany ho teza miisa enina ka anisan` izany ny tantsoroka tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2019, ny fisinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fametrahana ny Governoram-paritra, « permis biométrique » hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena... Ho an` ny minisitry ny Indostria indray dia Ho vaindohan-draharaha ny fandrindrana ny fitsinjovana ny sehatra tsy miankina, ny zon’ny mpanjifa ary ny famoronana asa mendrika. Momba ny famokarana ny artemisia manokana dia efa miara-miasa amin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana ny ministera iandraiketany. Ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary Jono izay namerimberina ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, isan’ny lehibe amin’izany ny famokaram-bary. Ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola no namarana ny tatitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT