Araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra natao tamin’ny alakamisy 20 aogositra 2020 dia antsoina hivory tsy ara-potoana eny amin’ny CCI Ivato manomboka anio alarobia faha 26 aogositra 2020 amin’ny 3 ora hariva ireo solombavambahoakan’i Madagasikara manerana ny nosy.
Ny lahadinika amin'izany dia mikasika ny "commission mixte paritaire" hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 tamin'ny 26 febroary 2020. Hatreto aloha dia mbola tsy nahazoana vaovao ny mikasika ny toerana hamindrana vonjimaika indray ny CCO foibe nafindra ao amin’io toeram-pivoriana io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.