Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.
Manaraka azy, ireo tsy miankina ary farany ny antoko TIM. Na dia ny vokatra havoakan`ny HCC aza no tena ofisialy, dia azo antenaina fa tsy hisy fiovana firy noho izy fifidianana manakaiky vahoaka. Raha mitombina izany, malalaka tsara ny fanjakana amin`ny fanatanterahana ny vinany. Hanao ahoana anefa ny firafitry ny fanoherana ? Mitodika any amin`ny antoko TIM ny mason`ny mpanara-baovao. Raha 16 ny depioten`ity antoko ity dia hisy ny fanoherana matanjaka ve ? Ireo depiote tsy miankina mantsy tsy mbola fantatra izay hataony marina. Andrasana ny fiandohan`ny fivoriana ara-potoana voalohany, indrindra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra araka ny and. 54 ao amin`ny lalàmpanorenana, io ilay nampifanolana tamin’ny fitondrana teo aloha. Manaraka izany, ny fandrafetana ireo mpikambana vaovao eo anivon`ny governemanta. Miankina amin’izay no hahafantarana ny antsipirihany ny programanasan`ny fitondram-panjakana. Miankina amin`izay no fanatanterahana ny velirano nataon`ny filoha Rajoelina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.