Nisokatra omaly talata 05 mey ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny antenimieram-pirenena amin’ity taona 2020 ity.
Fivoriana notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana mba tsy hisiana fifampikasohana ary fanajana ny elanelana iray metatra amin’ny samy olona. Haharitra 60 andro ny fivoriana araka ny voafaritry ny andininy faha-75 amin’ny lalàmpanorenena, ka hifantoka amin’ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana hasiam-panovana, ao ihany koa ny volavolan-dalàna mahakasika ny «Agriculture biologique», ny fankatoavana ireo hitsivolana laharana faha 001-2020, ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), araka ny nambaran-dRazanamahasoa Christine tamin’ny lahateny nataony nandrindra ny lanonam-panokafana. Tsiahivina fa niala na nesorina tamin’ny toerany ny Filoha Lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo taorian’ny fanambarany nanabaribary ireo anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa, izay nampiozongozona tanteraka ny fahefam-panjakana noho ny fiheverana fa nisy lalao maloto ny fifidianana nahalany ny Filoha Rajoelina sy ny olom-boafidy maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.