Fandaharam-potoana tafiditra teo amin` ny Antenimieram-pirenena ny fametrahana solontenan` izy ireo eo amin` ny Fitsarana ambony (HCJ). In-droa nahemotra moa ny fananganana ny vaomiera misahana ny fampianganana eny amin`ny HCJ.
Raha ny 10 jona no tetiandro voalohany dia nahemotra ny 30 jona lasa teo. Tsy tontosa anefa izany ka androany no voafaritra ny hanatanterahina ny fifidianana. Saropady tokoa ity vaomiera ity satria anjaran` ny Antenimieram-pirenena ny mahita na tokony hosokafana na tsia ny fanadihadiana amin` ny alalan` io komity manokana io. Raha mahazo ny fankatoavan` ny Antenimieram-pirenena izay mandeha avokoa ny dingana amin` ny HCJ hatrany amin`ny fitsarana ireo olona voakasiky ny raharhaha. Maro dia maro rahateo ireo raharaha miandry fitsarana eny anivon` ny HCJ toy ny raharaha “Bonbons 40 miliara”. Tsiahivina ihany koa fa ministra teo aloha miisa 13 no efa nametrahan` ny Fitsarana ambony antontan-taratasy eny anivon` ny Antenimieram-pirenena iandrasana ny fankatoavana raha hanaovama fanadihadiana na tsia. Mba tsy ho lasa endrika fotsiny intsony ny HCJ raha tafajoro ity komity manokana ity satria raha mbola mandringa io rafitra io dia tsy voahaja ilay zo iraisam-pirenena kanefa mila mitovy zo ny olo-pirenena eo anatrehan` ny lalàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.