Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny Filoham-pirenena tamin’ireo filohana andrim-panjakana: Praiminisitra, Filohan’ny antenimierandoholona, Filohan’ny antenimieram-pirenena,
Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka niantsoana ny fivoriana ara-potoana izay efa voafaritry ny lalàna rahateo. Ny andininy faha-75 no manamafy fa isaky ny talata voalohany amin’ny volana mey, ary maharitra 60 andro no fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena. Mbola tsy afaka mametraka ilay “videoconferences” tahaka ny fanao any ivelany eto amintsika satria misy faritra aza mbola tsy misy tambajotrana internet. Noho ny vanim-potoana manokana, ary tsy voahaja mihitsy ny elanelana iray metatra raha eny Tsimbazaza, ka eny amin’ny CCI Ivato no hanaovana izany manomboka anio 5 mey. Ny fandinihana ny volavolan-dalàna nasiam-panintsiana na ny LFR sy ny sata mifehy ny mpanohitra no isan’ny hodinihina, raha ny fanazavan’ny Kestora faharoa Lanto Rakotomanga. Isan’ny adihevitra tsy nety vita teny amin’ny fahefana mpanao lalàna ny sata mifehy ny mpanohitra. Mbola tsy tonga eny amin’ny Antenimiera anefa na izany aza ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana. Marobe ireo tolo-dalàna sy lalàna tokony hatao ao anatin’izany satria iray volana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.