Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .
Hiova tanteraka ny fomba fiasa eo anivon’ny asam-baomiera sy vondrona parlemantera ary ny asan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Hapetraka, araka izany, ny fomba fiasa vaovao eo anivon’ireo rafitra roa ireo. Ohatra ny hanaovan’ny vaomiera maharitra tsirairay programan’asa hotanterahana mandritry ny taona (PTA) izay mifototra amin’ilay asa sy andraikitra tanterahin’ny rafitra tsirairay. Hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fampahafantarana ny asan’ny Antenimieram-pirenena amin’ireo vahoaka mpifidy. Hivoatra tanteraka ny asan’ireo vaomiera maharitra sy mondrona Parlemantera ary hamaly ireo hetahetam-bahoaka. Tanjona amin’izao fanatsarana ny fomba fiasa izao dia ny hiverenan’ny fitokisan` ny olom-pirenena ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.