Nifarana ny fivoriana manokan’ny Antenimieram-pirenena izay nentina nananganana Birao Maharitra sy nifidianana filoham-baomiera. Nifarana tamin’ny savorovoro anefa izany vokatry ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny fomba nitondrana ny fivoriana.
Nisintaka tsy nety nandray anjara tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mihitsy ny vondrona PMP na vovonan’ny maro an’isa miaraka amin’ny filoham-pirenena, ka dia nanjary raharahan-tokantranon’ny MAPAR ny tohin’ny tantara. Noraofin’ity vondrona ity avokoa ny toerana rehetra eo anivon’ny Birao maharitra, niainga tamin’ny filoha, ireo filoha lefitra enina ary ny filoham-baomiera 26 izay nifampizarany tamin’ny GPS mpiray dia aminy. Nampifanolana ny fitsipika anatiny, izay mamaritra ny firafitry ny Birao maharitra sy ny fomba fifidianana ireo izay handrafitra azy. Efa lany andro ny fitsipika anatiny nifehy ny Kongresy satria nifarana ny tetezamita, efa nisy fifidianana rahateo. Tsy manan-kery intsony ihany koa ny fitsipika anatiny tamin’ny Antenimieram-pirenena farany (2007-2009) satria efa misy lalàmpanorenana vaovao voafidy tamin’ny 17 novambra 2010. Ny fitsipika anatiny rahateo dia tsy maintsy mbola hamarinina eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana raha toa ka mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana manankery. Tsambiki-mikipy narahina amboletra ihany no nataon’ny MAPAR nanao ankisisika nifidy Birao maharitra nefa tsy manana fitsipika anatiny mazava akory. Mbola tantara tsy vita, araka izany, ity resaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity, izay mety hitarika any amin’ny famerenana ny fifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Birao maharitra mihitsy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.