Antenimieram-pirenena

> Any amin’iza ny lakile ?


  • Zoma 21 Febroary 2014

Lakile ara-bakiteny eny amin’ny Antenimeram-pirenena ity resaka ity fa tsy ilay lakile hirahirain’i Dah’Mama fandre isan’andro amin’ny onjam-peo tsy akory.

Raha natolotry ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Atoa Mamy Rakotoarivelo tsimoramora ny filoha vaovaon’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine ny lakilen’ny birao fiasany teny Tsimbazaza sy ny fiara ny alin’ny talata 18 febroary nahalany azy na dia tsy mbola vita ara-dalàna aza ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta raha tsy omaly alakamisy 20 febroary, dia an-keriny kosa no nakan’ny filoha lefitra iray avy any amin’ny Faritany ny lakilen’ny birao fiasan’ny filoha lefitry ny Faritanin’Antananarivo omaly marainan’ny alakamisy fa tsy mety aminy, hono, ny birao fiasan’ny olona nodimbiasany teo aloha. Ho an’ireo lakilen’ny trano «Centre d’Accueil» hipetrahan’ireo depiote avy lavitra kosa izay miisa 100 dia nambaran’ny tompon’andraikitr’ity toerana ity fa eo amin’ny 18 eo sisa tsy tafaverina nefa dia inoany fa haterin’ireo mpikambana tao amin’ny Kongresy mbola any amin’ny Faritra misy azy ny tavela any amin’izy ireo rehefa miverina an-dapa haka ny karamany volana febroary izy ireo. Misy vitsivitsy amin’ireo mpikamban’ny Kongresy voafidy ho depiote ihany koa no tsy namerina ny fanalahidy any aminy satria mbola mipetraka ao amin’ny tranony izy ireo amin’izao fotoam-pivoriana manokana izao. Tsy maintsy miala amin’ny trano daholo aloha anefa ny rehetra fa hisy ny fanamboarana hatao amin’ity «Centre d’Accueil» etsy Tsimbazaza ity izay efa tena mihasimba tanteraka tokoa.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT