Politique

Antenimieram-pirenena Benaivo Andrianaly Narcisse no voafidy ho filoha lefitry ny CENI


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Notanterahina omaly teny amin` ny CC Ivato ny fifidianana izay ho solontenan’ ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) ireo solombavambahoaka. Kandidà dimy no nifanandrina ka nandritra izany no nahavoafidy an’i Benaivo Andrianaly Narcisse

 

 

 

, Administrateur Civil. Nahazo vato miisa 60 izy raha 93 no isan’ny tonga nifidy. Rajaonarison Charli Hyacinthe kosa nahazo vato 20. Rasolo Nandrasana Georges Merlin nahazo vato 9. Ary Ralevason Hary Tiana nahazo vato 2. Nisy kosa vato fotsy 1 sy vato maty 1 nandritra ny fifidianana. Raha tokony maraina no voafaritra ny fanatanterahana ny fifidianana dia ny hariva izany vao tontosa. Raha tsiahivina dia nahemotra ny fifidianana izay ho solon` ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, ary re tsilian-tsofina ny tsy nitovian`ny tadindokanga teo amin` ireo samy solombavambahoaka mikasika ny fisafidianana kandidà tokana hisolo tena azy ireo ao amin` ny CENI. Ka tombanana ho isan` ny antony nahataraiky ny fifidianana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT