Politique

Antenimieram-pirenena Banga roa ny toeran’ny solombavambahoaka


  • Talata 25 Aogositra 2020

Hivory tsy ara-potoana ny Antenimieram-pirenena manomboka rahampitso alarobia 26 aogositra 2020 araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny alakamisy 20 aogositra 2020.

 

 

 

Eny amin’ny Lapam-panjakana Tsimbazaza no hatao ny fanokafana ny fivoriana rahampitso amin’ny 3 ora tolakandro. Ny lahadinika amin’izany dia mikasika ny « commission mixte paritaire » hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020. Banga roa ny toeran’ny solombavambahoaka taorian’ny nahafaty an’i Rakotomalala Lucien, solombavambahoaka IRD voafidy tao Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, ny 7 jolay 2020 sy ny nahavoatendry an’i Bavy Angelica Michelle, izay solombavambahoaka IRD voafidy tao Fenoarivo Atsinanana sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Toamasina, ho minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny 20 aogositra 2020. Izany dia fampiharana ny andininy faha-71 amin’ny lalampanorenana. Didy avoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana no manondro izay handimby toerana azy ireo ao Tsimbazaza, toy izany koa ny minisitra hiverina ho solombavambahoaka rehefa tsy mpikambana ao anatin’ny governemanta intsony izy, nefa tsy mbola tapitra ny fe-potoana iasana nahavoafidy azy. Hatry ny omaly anefa tsy mbola namoaka didy mahakasika ireo ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT