Politique

Antenimieram-pirenena


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Misy resaka fanonganana birao maharitra indray Mafampana ny toe-draharaha eny amin’ny antenimieram-pirenena.

 

 

Nandeha ny fivoriana nikaton-trano omaly teny amin’ny CCI Ivato, saingy tsy nanan-kery noho resaka isa. Na izany aza efa misy ireo solombavambahoaka maneho fa misy zavatra tsy mandeha mila alamina. Mafampana ny ato, ary ny fivoriana mikaton-trano dia niarahana tamin’ny IRD sasany, ny TIM, ny GPR, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas omaly tamina fahitalavitra iray. Misy fanaovana tsinontsinona amin’ny fiaraha-miasa, fanaovana tsinontsinona ny mpiasa ato,... hoy izy. Nandeha ny resaka omaly, fa miketrika fanonganana ny birao maharitra ny depiote. Tsy ny birao maharitra manontolo no kitihina, fa misy iray na roa fa manao fandikan-dalàna, hoy ny fanehoan-kevitra. Mandeha ihany koa ny fangatahana ny hisian’ny fanadihadiana sy fanaraha-mason’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) momba ny fitantanam-bolan’io antenimiera io. Eo ihany koa ny fiantsoana ny Bianco. Voavaha amin’ny ampahany ny olana, fa hodinihina ny fivoarany. Hojerena hoe hivaha tanteraka ve amin’ny herinandro, hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy avy amin’ny TIM eo anatrehan’ny resaka olana ara-bolan’ny antenimieram-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT