Politique

Antanifotsy-Vakinankaratra Mihorohoro amin’ilay depiote ny fonksionera


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Mitatao eo an-dohan’ny fonksionera miasa ao amin’ny Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra

 

 

 

 ny fampindran-toerana avy hatrany raha tsy azoazo na koa tsy manao sy manatanteraka ny sitrapon’ity parlemantera iray avy amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Tebiteby sy horohoro lava no iainan’ireo mpiasam-panjakana amin’iny Distrika iny eo anatrehan’izany. Ireo mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamana no tena mahatsiaro ho voageja manoloana ny fihetsik’ity olomboafidy ity. Niharan’ny antsojay ny mpiasan’ny fahasalamana iray tao Ambohimandroso rehefa tsy nanaiky ny hanome “certificat médical” olona tsy hitany maso akory hatao fizaham-pasalamana hamantarana ny tena fahavoazany fa terena hatao anjambany. Niharan’ny tsindry famindran-toerana hatramin’ny lehiben’ilay mpiasan’ny fahasalamana mihitsy tamin’io tranga io. Fanamparam-pahefana, fanararaotana, fitsabahan’andraikitra no andikan’ny maro ny fihetsika ataon’ity parlemantera ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT