Taorian’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-59 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, miakatra ny feo avy any amin’ny faritra amin’ny fihetsika ataon’ireo solontenam-panjakana sasany sy ireo mpanao politika mpomba ny fitondrana amin’ny tsindry ataon’izy ireo.
Tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, ohatra, dia mampametra-panontaniana ny maro ny fomba nitantanana ny afomanga ny harivan’ny 25 jona. Isan-taona dia eo an-drenivohitry ny distrika hatrany no atao, toy ny fahita saika manerana ny Nosy. Naparitaka tamin’ireo kaominina sasany izany tamin’ity tao Antanifotsy. Nisy tao Ambohimandroso. Nahafaly ny olona ny fisiany, saingy tsy tongatonga ho azy izany, hoy ny mponina avy ao an-toerana fa mifono resaka politika noho ny kandidan’ny vovonana IRD “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo izay avy ao Ambohimandroso, ary nanamora izany ny lehiben’ny distrika, izay vao notendrena taorian’ny fandalovan’ny filoha Andry Rajoelina tao Antanifotsy tamin’ny 21 aprily 2019. Larahana faharoa tamin’ny vokatra navoakan’ny CENI farany teo ny kandidan’ny IRD. Toerana roa no ifaninanana ho an’Antanifotsy. Tsy mbola manana fahefana akory ny kandidan’ny IRD dia efa mampiteny ny anarany, hoy ny fanamarihan’ny mponina ao Antanifotsy, manoloana ity tranga ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.