Politique

Antananarivo renivohitra Koposoroka no nandaniana ny tetibola 2021


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Nafana indray ny raharaha fandaniana ny vinavina ho an’ny tetibola nanaovana fanamboarana (budget primitif) hiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021.

 

 

 Mpanolontsaina 27 tamin’ny 55 no nanatanteraka ny fifidianana, ka ny 26 nanaiky, ary ny 01 kosa nanda. Nivoaka ny efitrano ny mpanolontsaina TIM satria tsy nanaiky ny endrika nisehoan’ny fifidianana izy ireo. Nisy ny fanomezam-pahefana hifidy (vote par procuration) nataon'ny mpanolotsaina 4 tsy afaka nivory izay azo atao tsara, kanefa nolavina. Tsy noraisin'ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly (PCM) anefa izany raha hoe antony arak'asa no tsy ahafahana mivory. Nangataka fanemorana ihany koa ny TIM, saingy tsy nekena. Rehefa natsoina hivory indray ireto farany dia tsy navela hiditra indray fa hoe izay tafiditra ao anaty trano fivoriana ihany no mahazo mivory, hoy ny Mpanolontsaina TIM Céléstin Ratsimbazafy. vokatr'izany nivoaka ny trano fivoriana ny mpanolotsaina tsy miaraka amin'ny ben'ny tanana, ary ireo miara-dia amin’ny mpanatanteraka no nanohy ny tantara. Miisa 28 amin’ny 55 izy ireo, ka TIM ny 25, Komba 02, miampy an’I Clémence Raharinirina. Nilaza ny TIM fa izy ireo no maro an’isa, ka naneho fa rava ny fankatoavana raha nisy. Ara-dalàna ny fivoriana, fa izay manatrika eo no manao ny fankatoavana, raha ny setriny avy amin’i Lalatiana Ravololomanana miara-dia amin’ny ben’ny tanàna.

 

FANONGANANA NY BIRAO MAHARITRA

Mihamafana hatrany ny toe-draharaha eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny 25 septambra lasa teo, dia efa nisy ilay taratasy fangataha fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo 28, izay mitaky ny handravana ny Birao maharitra noho ny fitsimbadihan’ny maro an’isa. Nitory ny Filohan’ny PCM eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana I Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahiana omaly, ary mangataka ny hampiatoana na hanafoanana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 9-13 oktobra noho ny tsy famoahana mazava ny lahadinika.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT