Politique

Antananarivo Renivohitra Ahoana ny hoaviny ?


  • Talata 18 Jona 2019

Mialoha ny faran`ny volana septambra ho avy izao no tokony hanatanterahana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina.

 

 

 Ady lalao fahatelo eo amin`ny antoko TIM sy ny vondron’antoko IRD indray io ho an`Antananarivo Renivohitra manokana. Marihina fa ny teo  amin`ireo boriborintany mandrafitra an`Antananarivo Renivohitra dia nanjakan`ny TIM ny efatra amin`ireo enina. Raha kajikajiana tsotsotra, ny TIM no tsara toerana amin`ny fitantanana ny renivohitra. Raha ny zava-misy hatramin`izay, minia manampin-tsofina ny fanjakana foibe manoloana ny sakantsakana ataony amin’ny kaominina eto Antananarivo-Renivohitra kanefa maro ny sehatra tokony hiarahan`ny roa tonta miasa. Mikasika ny lalana, nanomboka ny taona 2001 no tena nisy ny fanamboarana. Raha nanaiky ny fitohizan` ny asa izay ben`ny tanàna nitondra teo dia tsy tokony hijaly toy izao ny mponina eto Iarivo. Maro no mampiasa lalana fa ny politika eto amintsika izay tonga eo amin`ny fitondrana dia mamafa ny asa vitan`ny teo aloha.  Eo ihany koa ny lafiny fanabeazana, ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia manana mpiaramiombon`antoka mba hahafahan`ireo mpianatra misitraka fampianarana mendrika.  Aiza eto Iarivo no tsy misy toerana hanjakan`ny fako izay mitarika valanaretina toy ny pesta, lefakozatra… Mila miara-mikaondoha ny fanjakana foibe sy ny kaominina mba hahafahana manana renivohitra mendrika ho an`ny firenena. Efa ela no tsikaritra izany fifandonana eo amin’ny mpitondra sy ny kaominina izany ary tsy nety niravona ny olana. Tsy tokony hisy intsony ny endrika sakantsakana sy ny fanapenam-bava atao amin’ny sehatra maro. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany, raha toa ka avela hiasa am-pilaminana ny ben’ny tanàna fa tsy vonoina amin`ny politika.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT