Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD
na tetibola natokan’ny fanjakana hotantanin’ireo solombavambahoaka raha ho an’ity distrika ity manokana. Araka ny fanazavan’ny depiote, Alain Ratsimbazafy, dia tapaka izany taorian’ny dinika nifanaovan’izy mirahalahy tamin’ireo mpikambana mikasika ity famatsiam-bola ity. Anio, mandritry ny fanolorana ireo ben’ny tanàna voafidy tao amin’ity distrika ity izany no hatolotra ireo kaominina tsirairay. Manodidina ny 300 tapitrisa ariary ny totalin’io famatsiam-bola io, raha ny fanamarihana hatrany. Anjaran’ny solombavambahoaka sy ireo ben’ny tanàna moa no miara-mijery ireo sekoly tena mila fanampiana fa raha ny tsikaritra aloha dia ny lafiny dabilio no hita fa tena manahirana ireo sekoly, hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.