Politique

Anosizato Andrefana Raikitra ny fanisana ny mponina


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Raikitra ny fanisana ny mponina ao anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

Manohy hatrany ny fanaraha-maso amin’ny fanatanterahana izany no sady nitafa mivantana amin’ny mponina eny ifotony mihitsy Rtoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle, filohan’ny Force Féminine de l’Aide Mutuelle na ny FFAM izay nisolo tena ny governoran’ny Faritra Analamanga sy ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny. Anisan’ny tena tanjony ny hijery marina ireo marefo tokony hisitraka ny fanampiana manerana ireo Fokontany miisa fito mandrafitra ity kaominina ity. Toraka izany koa ny fampidirana ireo mbola tsy manana karnem-pokontany ho ao anatin’ny lisitra vaovao hahafahana manatanteraka ilay digitalisation n’ny karnem-pokontany rehetra manerana ny Nosy mba tsy hisy ho very anjara intsony ny isan-tokantrano amin’ny fizarana fanampiana amin’ny manaraka. Tsiahivina moa fa voatendry ho mpitarika ny Tanora Gasy Vonona eny amin’iny faritra iny ity Renim-pianakaviana mpanao asa soa ity. Anisan’ny tena nahafantarana azy ny fanohanany hatrany ireo sahirana ara-pivelomana manodidina azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT