Nitsidika tamin’ny fomba fifanajàna ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teny amin’ny lapa maitsoo Anosikely, ny Ambasadaoron’i Japon vaovao monina sy mipetraka eto Madagasikara, SEM HIGUCHI Yoshihiro, omaly 26 Aogositra 2020.
Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta ary indrindra indrindra eo anivon’ny Antenimierandoholona Japone sy Malagasy. Izany no natao dia ny mba hisian’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny firenena roa tonta. Namban’io diplaomaty io fa ho fanamafisana izany fiaraha-miasa sy ho fitohizany, dia hisy ny tetik’asa hantsangan’izy ireo mba ho entina hanarenana ny voka-dratsin’ny Covid 19. Amin’ny alalan’ny famatsiana fitaovana ara-pahasalamana sy fidioavana ho an’i Madagasikara izany. Nohamafisiny ihany koa fa na dia eo aza izany, dia tokony ho mailo hatrany amin’ity aretina ity ny rehetra. Vonona hatrany hanampy an’I Madagasikara ny firenena Japoney amin’ny fampandrosoana indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-ekonomika sy sosialy. Nilaza kosa Atoa Rivo Rakotovao, fa efa ela no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny eny Ambatovy, ireo tetikasa goavana izay atao eny amin’ny seran-tsambon’i Toamasina sy any Alaotra, ireo fanomezana sy tolo-tanana samy hafa entina iadiana amin’ity valan’arentina ity ary ny fananganana fotodrafitrasa maro isan-karazany eto amintsika. Nohamafisiny ihany koa fa ilaina ny fananana parlemanta matanjaka, afaka mifampihaino, araka ny nolazain’ny Ambasadaoron’i Japon, mba ahafahana mandamina firenena iray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.