Politique

Anosibe An’ala Nankaiza i Pierrot sy André ?


  • Alarobia 22 Desambra 2010

Distrika mitoka-monina noho ny haratsian-dalana no sary tonga tao an-tsaina raha vao Anosibe An’ala no resahina.

Potika tokoa ankehitriny ny lalana namboarina tamin’ny fitondrana Ravalomanana, mirefy 71 km, manelanelana ny renivohitr’ity distrika ity amin’i Moramanga. Mitana andraikitra ambony hatrany tamin’izay fitondrana nifandimby teto ny zanak’Anosibe An’ala. Raha ny ankehitriny dia singanina amin’ireny ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André, misy koa ny mpanao politika toa an-dry Pierrot Rajaonarivelo. Mba nanantena ireo zanaky ny tanàna, vato nasondrotry ny tany, ary efa nandondom-baravarana tamin’izy ireny mihitsy aza ny iraka avy any an-toerana, mba hiara-misalahy amin’ny fanarenana indray io fotodrafitrasa io, indrindra ny tetezana mirefy 10 metatra ao Belavadaka, fa mampijaly ny mponina, satria dia ora 5 be izao ankehitriny no andehanana amin’io halaviran-dalana 71km io.

Tsy nisy vokany anefa izany, ary toa fandatsana ho an’ny any Anosibe An’ala aza ny mahita ireo “zanany” malala-tanana rehefa asa sosialy atao eto Antananarivo fa mahidy kosa raha valimbabena any an-toerana. Tsy nampiraviravy tanana ny tany an-toerana fa nikaroka hevitra izy ireo, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika, ka nanao tsipaipaika. Araka ny fantatra dia mandoa enina alina ariary ny mpanana kamio, efatra alina ariary ho an’ny taksibrosy, roa alina ariary no fandraisana anjaran’ny mpivarotra. Nakarina valo arivo ariary ny saran-dalana fito arivo ariary teo aloha, fandraisana anjaran’ny mpandeha io. Noraisin’ny any an-toerana ny andraikitra hanarenana io lalana io, mba hialana amin’ny fanararaotana ka hanao fitaovana politika azy io, amin’ny fotoam-pifidianana. Re mantsy fa misy DJ ao an-toerana, ho kandidan’iretsy vato nasondrotry ny tany iretsy, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao manaraka eo. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT