Mitohy ny fanoherana voka-pifidianana amin’izao fotoana izao. Ny kandida faharoa, nahazo vato 31,79%,
araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI no nambara fa voafidy ofisialy ho ben’ny tanàna tao Anorotsangana Ambanja, fa tsy ny voalohany, nahazo 42,25% ny vato manankery, nefa tsy nisy fitoriana na fitarainana fa dia nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Toy ny vara-datsaka ny nandrenesan’ny vahoaka tao amin’ny kaominina Anorotsangana distrika Ambanja ny voka-pifidianana ben’ny tanàna farany teo, navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana Faritany Antsiranana. Nanao hetsika ireo manohitra io voka-pifidianana io ny sabotsy lasa teo mitaky ny hamoahana ny marina. Kolikoly avo lenta sa fifandisoana ? Tsy any an-toerana ihany fa toerana maromaro no ahitana tranga toy izao, dia ny tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.