Tsy vitan’olon-drery ny asa fampandrosoana ny firenena hoy Rtoa Annick Ratsiraka omaly. Ilana fifanomezan-tanana izany hoy izy ary tsy tokony hijerena loko politika.
Fantatra izany omaly nandritra ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Amiraly Didier Ratsiraka taorian’ny nahafatesany tamin’ny 28 Martsa lasa teo. Nambarany fa nanerana an’i Madagasikara ny fotoam-pivavahana nentina nanamarihana izany omaly ka nisy ny tany Fianarantsoa, nisy ny tany Toamasina raha nisy ihany koa ny tany Mahajanga. Mikasika ny fanohizana ny asa vitan’ny filoha teo aloha moa dia nomarihiny fa efa tanterahina ao anatin’ny fananganana ilay fondation Celine, Didier Ratsiraka izany. Nosantarina tamin’ny fitadiavam-bola entina mampiodina ny fikambanana tao amin’ny carlton ny hetsika omaly hariva entina hanampiana sy hanabeazana ny zaza Malagasy. Tsiahivina moa fa narahina fizarana sakafo masaka ho an’ireo olona an-jatony tonga marobe tetsy amin’ny PK O Soarano izany omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.