Politique

Annick Ratsiraka “Ny mpitondra no tompon’ny hevitra hitantanany ny firenena”


  • Alarobia 23 Jona 2021

Vahiny manokan’ny Top Radio FM 102.8 Rtoa Annick Ratsiraka Sekretera Nasionalin’ny Antoko Arema omaly, niresaka lafin-javatra maro eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

 Ara-politika sy fitantanana, manana ny firehen-keviny ny Arema, betsaka ny zavatra misy amin’izao fotoana ao anatin’ny Boky mena averin’ny mpitondra atao. Ahoana no hitenenanay hoe tsy mety io kanefa manohy ny asa teo aloha ary ny Filoha mpanorina mihitsy no miteny an’izany? hoy izy. Nilaza ihany koa tetsy andaniny, fa sady tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa, fa mandala ny soatoavina Repoblikanina, ka izy no voafidy hitondra 5 taona Filohantsika fa tsy filohan’ny MAPAR, tsy Filohan’ny IRD,… fa Filohan’ny Malagasy rehetra na tianao na tsy tianao. Mivoy ny “Sosialisma Malagasy” ny Arema. Ao anatin’ny famolavolana ny tanora hanao politika ny Arema. Tsy maintsy miomana amin’ny fifidianana rehetra izay ho avy eo. Raha hisy ny fanovana governemanta, ary raha misy ny fiantsoana dia mety tsy handà araha afaka hanao ny politika izay tiany hatao sy manana ny ideolojiany, hoy ity zanaka Filoha teo aloha ity. Misy 80 na 85% amin’ny Malagasy no mahantra araka ny antontan’isan’ny vahiny sy ny Instat ka ahoana no tsy hisainana ny sosialy fa hoe ny anay vola ihany na kapitalista? Hoy Rtoa Annick Ratsiraka. Manao ezaka amin’ny takatry ny tananay izahay, manampy tantsaha mamboly, naverina ny KOP Arema (Koperativa Arema), ka vao ny zoma lasa teo izao no niara-namboly tongolo tamin’ny tantsaha. Mizara arendrina ho an’ny ankizy, sady mankalaza ny tanindrazana no mankalaza ny volan’ny ankizy ny Arema amin’izao.

TSY AFAKA NY HANERY …
Tsy tena namaly ny tenany amin’ny hoe: inona ny mety fahadisoana teo aloha tsy haverina intsony izy. Nambarany kosa fa zavatra maromaro no misy, ny filoha mpanorina no efa niteny hoe: “erreur d’’appréciation”, ary samy nanao izany ny Filoha Tsiranana, Filoha Ratsiraka, Filoha Ravalomanana, Filoha Rajaonarimampianina, Filoha Rajoelina, izay samy nanana fitiavan-tanindrazana ihany koa raha ny nambarany. Ara-toekarena, ny filoha teo aloha fahavelony, dia naneho tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena fa manana sy mahita mpiara-miombon’antoka afaka mivarotra solika mora kokoa. “Ny tolo-kevitra nomena ny Filoha Rajaonarimampianina sy ny Filoha Rajoelina dia samy efa nomena ny tolo-kevitra amin’ny hamelomana ny “raffinérie” fa misy ihany koa ny namana afaka mitondra ny solika amin’ny vidiny mirary. Rehefa tsy eo amin’ny Fitondrana ianao dia ny mpitondra no tompon’ny hevitra hitondrany ny firenena, fa tsy afaka ny hanery azy ianao”, raha ny nambaran-dRtoa Annick Ratsiraka.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT