Mavitrika ny fandraisana anjaran’ny solontena avy amin’ny ankolafy Zafy Albert eny Magro Behoririka saika isan’andro.
Araka ny fanazavan’i Loginco dia nahazo ny tsodranon’ny profesora Zafy Albert izy ireo tonga sy mikabary eny ary eo koa ny fitiavan’izy ireo manokana an’i Marc Ravalomanana. Nambaran’i Loginco àry fa tsy mitombina ny filazana fa toromarika avy amin’ny Pr Zafy Albert ilay hoe “ni…ni”, tsy hilatsahan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana. Marina, hoy izy fa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ny praiminisitra Beriziky kanefa dia tsy vitany ny iraka nampanaovina azy. “Toa nanenenana ny nametrahana azy teo.
Mitarazoka ny fampiharana ny sori-dalana izay nolazain’ny praiminisitra fa ho patiraony”, hoy i Loginco nanamarika. Ao anatin’ny fampiharana ilay sori-dalana anefa ny fampodiana ireo sesitany politika tsy ankanavaka ary tsy misy fepetra, eo koa ny fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ny mpanohitra izay mitarika ny famoahana ireo gadra politika, ny fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ka tokony hamohana ireo haino aman-jery nakatona rehetra. Nambaran’ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ihany fa tsy mbola miresaka fifidianana izany ny ankolafy satria mila apetraka aloha ilay tetezamita tena izy, ifanarahan’ny rehetra ary handraisan’ny rehetra anjara. Avy eo dia irosoana ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ny profesora Zafy Albert. Izany dia mba hisorohana ny hiverimberenan’ny krizy, araka ny fanazavana. Tsy azo antoka manko, hoy i Loginco fa tsy hisy tokoa ny olana amin’izao tsy fisian’ny tsy fitanilana izao. Hosoka no hanjaka ka aleo aloha tafapetraka ilay rafitra tena izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.