Magro Tanjombato. Io indray no toerana nanohizan’ny Ankolafy Telo eto Analamanga ny hetsika ny sabotsy 04 desambra teo. Vory maro ny olona na dia nihelina teny ho eny ihany aza ny miaramilan’ny Emmo-Reg. Ny havoriana toa io anefa no mbola porofo fa tsy eto afovoan’Antananarivo ihany, no misy tsy mankasitraka izao fitondrana izao ka ilazan’ny mpitondra fa olom-bitsy izy ireo, fa hatrany amin’ny faritra ihany koa, toy ity teny Atsimondrano ity, ary miha mahazo hery aza ny hetsika raha ny fahitana ny fahavononan’ny olona. Ary tsy vitan’izany fa dia nifoha ary nandray fitenenana hatramin’ireo olona tsy dia re feo loatra nandritra iny taona 2009 iny. Anisan’ireny Ramino Jean.
Niaiky izy fa efa ela no tokony hiteny saingy niandry ny fizotry ny tantara. Notsoriny ihany koa fa nangina koa izy satria sarotra ny miresaka demokrasia nanomboaka tamin’ny 2009. Mampiteny ny moana ny zava-misy ankehitriny hoy izy, feno miaramila izay toerana rehetra azo hitenenana. Ny asan-jiolahy sy ny harom-paosy anefa manjaka tsy misy mpijery. Nasiany teny koa ireo mpitarika ny Ankolafy Telo voatana am-ponja any Ambatolampy, ka nanontaniany hoe inona tokoa no heloky ry Fetison ? Izy ihany moa no nanohy fa “tsy rariny !” Rehefa izay dia notsikafoniny ireo heveriny fa heloka goavana vitan’izao fitondrana tarihin-dRajoelina izao. Ingahy Marcel avy amin’ny Ankolafy Zafy indray kosa no nilaza fa mbola misy raiamandreny azo antenaina hiteny dia i Guy Willy Razanamasy sy ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.