“Misy tsindry avy any ivelany fa tokony hivoaka rahampitso (anio) izy telo mirahalahy”, hoy ny Dr Julien tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly. Efa iray volana mahery tokoa manko izao no teny am-ponja ireo mpitari-tolona telo mirahalahy dia i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, ary pastera Edouard Tsarahame.
Nandritra izay dia nentina nitety fonja. Nisy fotoana aza dia nafenina mafy, tsy natao fantatr’iza na iza mihitsy ny nitazonana azy ireo. Antanimora, Ambatolampy, Fianarantsoa eny hatrany Vatomandry aza efa nametrahana azy ireo. Raha nisy koa mpanao politika noho ny fanehoany hevitra ka nigadra na voatana am-ponja tamin’izao fitondrana FAT izao dia ny azy telolahy ireto no azo lazaina fa henjana ny tebiteby teny an-dalana, tamin’ny fivezivezena tetsy sy teroa. Eo koa ny tahotry ny fianakaviana sao sanatria misy mersenera manafika eny am-pamindrafindrana azy ireo, ka misy zava-manjo izay mety mihatra aman’aina ka hailika amin’ny Ankolafy Telo. Na tsy nitranga aza anefa izany dia tratry ny tsy fahasalamana ny sasany tamin’izy ireo vokatry ny harerahana teo am-pivezivezena sy ny fiovana toetany.
Marihina efa in-telo koa izao raha kely no nangataka fahafahana vonjimaika ireo mpiaro azy ireo saingy nolavin’ny fitsarana hatrany izany hatreto. Tamin’ny 16 desambra no niakatra teny Anosy ity raharaha ity na tsy teny aza ny tenan’izy telo lahy. Fangatahana fahafahana vonjimaika no votoatiny. Nahemotra amin’ity talata 21 desambra ity. Asa raha mba horaisin’ny fitsarana ny hetahetan’ireo mpiara-mitolona avy ao amin’ny Ankolafy Telo ny mba hamoahana an’i Fetison sy ny namany amin’izao fety izao mba hahafahan’izy ireo manao fety miaraka amin’ny fianakaviany. Ny tati-baovao tao amin’ny Lettre de l’Océan Indien nivoaka ny faran’ny herinandro teo koa dia milaza fa tonga tao Ambohitsorohitra nangataka ny hamoahana azy telolahy ireo koa ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto, Jean-Marc Châtaignier, ny herinandro lasa iny. Ho tafita ve ny hafatra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.